Notanterahina anio Talata 28 Novambra 2023 tao amin’ny CAPAG-CCI BONGOLAVA ny fivoriana nanaovana tombana ny taom-pamokarana 2023 ny fihariana Baie Rose.
Tonga nanatrika izany ireo solontenan’ny mpamokatra avy amin’ny kaoperativa TSABROSE sy UCBRT,miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka manao tantsoroka azy ireo : CCI Bongolava,Faritra Bongolava, DRICC Bongolava, DRAE Bongolava.
Noresahana nandritra izany :
•Olana nandritra ny taom-pamokarana : fikarakarakana hatramin’ny fivarotana
•vahaolana sy sosokevitra hanatsarana ny taom-pamokarana manaraka, taona 2024.
Tsapa nandritra ny fivoriana fa mihavitsy ny mpamokatra Baie Rose, tsy maharaka ny filàn’ny tsena ny vokatra.
Amin’ny taom-pamokarana 2024 dia hiezaka ireo mpamokatra hanome vokatra tsara kalitao an’ ireo mpandraharaha mpividy ny vokatra,ary manaraka hatrany ny FENITRY NY KALITAO izay napetraka mba ho voatazona hatrany fa ny Baie Rose aty amin’ny faritra Bongolava no tsara indrindra raha ny kalitao no jerena.
Ary efa eo an-dalam-pikarakarana sy fandinihana ny fametrahana ny famantarana manokana ny ” BAIE ROSE BONGOLAVA ” ireo mpisehatra.