CCI BONGOLAVA

FIVORIAM-BE -CCI Bongolava.

Tontosa ny Zoma 24 Novambra 2023 lasa teo,tao amin’ny CAPAG-CCI Bongolava ny fivoriam-be ara-potoana faharoan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Bongolava.Izay notarihin’ny Filohany,Andriamatoa Dera RAZAFINIARIVO.
Tonga nanatrika izany ireo mpikambana maharitra, mpiaramiombon’antoka,ary ireo sampan-tserivisy miaramiasa akaiky amin’ny CCI Bongolava ( Controle Financier,Service Budgétaire,DRICC Bongolava).

Ireto ny lahadinika nandritra ny fivoriana :
•tatitry ny asa vita 2023
•fandinihana sy fandaniana ny tetibola 2024
•fandinihana sy fanapahana ireo vinanasa ho tanterahina ny taona 2024
•fizaràna ireo vaovao samihafa.

Nankasitraka ireo rehetra tonga nanatrika ny fivoriam-be ny Filoha ary manome toky fa vonona hiaraka hampandroso ny CCI Bongolava no tanjona,mba ho reharehan’ny faritra Bongolava.

1701155239663.jpg

0 Comments

No Comment.